|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  fanahy
Fototeny  2 hahy
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4 Fomba entina manahy na mamelatra zavatra amin' ny toerana talaky andro mba ho maina: Tsy toy izao, retsy, no fanahy vary, ry Ketaka [1.1]

Teny iditra (2/4)5  fanahy
Fototeny  6 ahy
Sokajin-teny  7  anarana
Fanazavàna teny malagasy  8 Fomba entina manahy
9 Zavatra ao amin' ny olombelona entiny manahy ny amin' ny tenany, mampahatsiaro tena azy:
10 Very fanahy mbola velona ohatra ny valala voatango
11 Zavatra mampiavaka ny olona amin' ny biby:
12 Ny fanahy no olona.
13 Saina mieritreritra, fahendrena:
14 Ny manam-panahy mody voky fa ny adala manesika ihany.
15 Ilay zavatra tsy mety maty fitambaran' ny saina sy ny sitra-po ao amin' ny olombelona izay misaraka amin' ny vatana rehefa maty ny olona mba ho any amin' ny fiainana any an-koatra:
16 Hivavaka ho an' ny fanahin' ny maty isika.
17 Toetra:
18 Manao fanahin-jaza.
19 Fahasalamana:
20 Nahakepoka ny fandrenesana an-dRakoto maty tampoka:
21 olona tsara fanahy izao izy no niala tao an-trano.
[1.1]
Fanazavàna teny anglisy  22 the mind, the seat of thought, anxiety, or care; care for, thoughtful concern; tact, disposition, character, intelligence, knowledge; the soul, the immortal part of man. See nahy. [1.2]
23 the spirit, the soul; an attitude or temperament [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  24 esprit, âme; attitude ou tempérament [1.8]
Ohatra  25  Toetra no lazaina hoe fanahy eto. [1.316#]
26  Fa misy fanahy handalana, Re lahy! [2.69#]
27  Fanandratana ny fanahy maha-olona. [1.317#]
Haiendriteny 
28  Tsotra :
29  Tovonana :
Voambolana  30  Filôzôfia
Tovy hevitra  31 iniana, nahy, satry
Kamban-teny rehetra  32  Fikambanana 49 amin' io teny io
Ohabolana  33  Ohabolana misy io teny io
Lahatsoratra  34 Randzavola: fanahy ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (3/4)35  fañahy
Sokajin-teny  36  anarana
Fanazavàna teny malagasy  37 fitaka [Bara] [1.78]
Haiendriteny 
38  Tsotra :
39  Tovonana :

Teny iditra (4/4)40  Fanahy
Sokajin-teny  41  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Ohatra  42  Velona amin'ny fanahy isika, ka aoka handeha amin'ny fanahy [2.996]
Voambolana  43  Soratra Masina

Fivaditsoratra  44 fahany, 45 fahina, fanahy, Fanahy, fañahy, 46 fiha~na, fihana, 47 hafina

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/27