|
|
|
|

Entry (1/2)1  alatsinainy
Part of speech  2  noun
Explanations in Malagasy  3  (Arabo El-ithinin na El-itzinani: faharoa). (T) sasany: Alatsineiny, Tsinainy; (Sakalava): Alatinainy, na Tinainy.

-- Andro fahadimy tamin'ny ntaolo. Andro mafy, andro mainty -- ankevitry ny misy fillaovan-teny, ara-bakiteny koa: "miala tsinainy; manala tsinay". Fadin'ny ntaolo ny mandefa tafika Alatsinainy, fa andro mahamafy ny ady sy ny fandravana, fanalàm-bohitra, hoy izy; torak'izany: tsy misanta-draharaha, na manombnoka asa -- misy aza, mandrak'ankehitriny, mpiasa dia mahavatra tsy miseho mihitsy nony Alatsinainy.

Ny zavatra hamafina, amboarina, kosa, amin'ny trano, na ny tokantrano, ny raharaham-piainana, toy ny fihavanana simba, dia fanaon'ny sasany amin'ny Alatsinainy.

Nataon'ny ntaolo andro fandevenana ny Alatsinainy -- naman'ny Alarobia sy Zoma -- noho izy andro mafy, andro mainty, ka sady mitana mafy ny velona, no mainty mifanentana amin'ny fahafatesana.

Raha ohatra ka Alatsinainy no tsinana ny Adaoro, dia tsy fanao ny mamono zavatra afa-tsy mavo amin'io andro io.

Ny zaza teraka Alatsinainy dia Ramiera, na Andriamiera, no ataon'ny ntaolo sasany anarany; ary tsy mihety na manala hoho Alatsinainy. [1.10]
4  andro faharoa amin'ny herinandro. Araka ny fanandroan'ny Ntaolo, ny alatsinainy dia andro mafy, andro mainty ka tsy nisantarana na inona na inona; ny mandevina sy ny manamboatra ary manamafy zavatra no fanao alatsinainy. [1.1]

Explanations in English  5  Monday. [Ar. al-itzna'ni - Second.] [1.2]
6  Monday. [1.7]
Explanations in French  7  le lundi. [1.3, 1.8]
8  lundi. [1.5]
9  lundi [ar.: itnani, deux, al-itnain, lundi] [Tanala] [1.6]
Explanations in Italian  10  lunedi [1.18]
Explanations in German  11  Montag. Es gab bei Arbeitsunfällen am Montag in Frankfurt zwei Schwerverltzte. Amin'ny alatsinainy, faha...: am Montag dem/den... [1.56]
Examples  12  Harivarivan' ny alatsinainy, fiandohan' ny herinandro tamin' izay. [2.470]
13  Ny alatsinainy taorianan' iny, tezitra nisafoaka Ramose. [2.472]
All compound words  14  3 combinations of this word
Vocabulary  15  Time
Hyperonym 
Co-hyponyms 
Tables and plates  25  Measure of Time

Entry (2/2)26  Alatsinainy
Elementary words  27  alatsinainy
Part of speech  28  name (toponym) [Full list]
Explanations in Malagasy  29  anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io. [1.1]
Explanations in English  30  the place of holding Monday's market. [1.2]
Explanations in French  31  noms des marchés tenus le lundi et de leur emplacement. [1.3]
32  marché du lundi. [1.5]
Vocabulary  33  Geography: towns

Anagrams  34 alatsinainy, Alatsinainy

Updated on 2025/10/11