| Fanazavàna teny malagasy  | 
3 masoandro, orana: Avy ñy andro [Bara]
 [1.78] 
4 Fotoana manelanelana ny misasak' alina anankiroa, na hoe adiny efatra amby roapolo: Nipetraka roapolo andro tany Antananarivo izahay 
 Ny fotoana anazavan' ny masoandro ny tany, izany hoe ny fotoana manelanelana ny fipoirany sy ny filentehany, na hoe adiny roa ambin' ny folo (mifanohitra amin' ny alina): Fohy ny andro rehefa ririnina, fa ny alina kosa lava 
 Taratry ny masoandro: Misakisaha fa tratran' ny andro ianao eo 
 Fotoana nisehoan-java-dehibe, na nanjakana mpanjaka malaza iray: Amin' izao andron' ny baomba atomika izao ~ Efa nanomboka ny fandrosoana tamin' ny andron-dRadama rainy 
 Ny fiainan' ny olombelona eto an-tany: Fohy ny andron' ny zanak' olombelona, hoy ny Soratra Masina 
 Vintana: Ratsy andro, hono, itỳ zaza itỳ, araka ny filazan' ny mpanandro 
 Toetran' ny habakabaka, ny rivotra, ny hafanana sy ny hatsiaka: Tsara ny andro androany fa manga ny lanitra ~ Mangatsiaka ny andro amin' ny ririnina 
 Fotoana: Vary andro foana eto aho [1.1] 
 |