|
|
|
|

Entry (1/2)1  dihy
Part of speech  2  noun
Derivatives 
3  Active verbs :
4  Passive verbs :
5  Relative verbs :
6  Names :
All compound words  7  14 words containing dihy
Explanations in Malagasy  8  [1.1] fampisehoam-pihetsehana ataon' ny tena manontolo: loha, tanana, tongotra, ary indraindray koa aza ny vatana, mba hanehoana fifaliana
Toetran' ny fanidin' ny vorona eny amin' ny habakabaka raha tsy mihetsika na mikopaka ny elany
Explanations in English  9  [1.2] a dance, dancing in the native style. See danise, tsinjaka
10  [1.7] a dance, dancing
Explanations in French  11  [1.3#102, 1.8] danse
12  [1.3#102] sautillement, tournoiement de la toupie, du fuseau
le trémoussement des ailes d’un oiseau planant au même point
Examples  13  [2.245] Velona indray ny hira amana dihy natao teo tamin' ny ndeha hangataka iny.
14  [2.5] Inona kosa, hoy Noro nony efa nitonitony izy, no tsy nitiavanao ny dihy?
15  [2.313] Tsimpony ny teny rehetra mampiseho ny maha-malagasy ny dihy sy ny mpandihy.
Synonyms  16  danise, tsinjaka
Analogs  17  tsinjaka, sahoby, totorebika, tsipisandry, velatanana, dihy soroka, dada, jaiko, soamaroroka, tsaramiera, soratra, afindrafindrao, salegy
Proverbs  18  Proverbs containing the word dihy

Entry (2/2)19  Dihy
Part of speech  20  name (poem title) [Full list]
Elementary words  21  dihy
Vocabulary  22  Literature: poems
Author  23  Rabearivelo Jean-Joseph
Full text 
24  Ritsodritso-baliha telo,
25  gobogobok' ampongatapaka,
26  lokanga dimy indray dinidy
27  sy sodin-taolana tsara loaka.

28  Io misonenika Ratovovavy,
29  miakanjo manga marain-droa !
30  Ny lamba valaka mavokely;
31  raozy gasy ao anaty volo.

32  Tsoakam-bero sa bararata
33  mihararetra any amoron' ala ?
34  Sidintsidin' ny andro meva,
35  sa angidi-mangan' ny eny an' ony?

36  Io misonenika Ratovovavy,
37  moana tahaka ny Fiadanana;
38  valiha telo, ampongatapaka,
39  lokanga, sodina no indray henony.

40  Fa injay ny molony mangovingovitra,
41  ipololoran'ny nofinofy;
42  tsy toha intsony ka zary kalo,
43  dia zary hira nony efa avy eo.
44  Mba hontsa koa Ravaviantitra,
45  ka io mirotsaka mba handihy,
46  mitari-joro ny ila sikiny,
47  dia toy ny androny mirefarefa.

48  Tsy kalokalo na hirahira
49  no mampifelana izato endriny,
50  ranomaso no mamonto azy,
51  mahatsiaro ny maty rehetra...

52  Mahatsiaro... Toa fenomanana
53  efa ho rendrika tsy ho hita.
54  inty mihintsana ny lohataona
55  ka zary fasana ravi-maina...

56  Dia mifanojo ny loha tondro,
57  ny tondro mihantsin-dRatovovavy
58  sy ny tondro efa fola-dRavaviantitra,
59  samy tanteraky ny hazavana.

60  Mifanojo ka toa tetezana
61  ifanohizan' ny alin-kely
62  efa foy ery an-tendrombohitra,
63  sy ny andro maneno akoho !

Anagrams  64  Dihy, dihy, hidy

Updated on 2025/08/10