|
|
|
|

Entry (1/3)1  embona
Part of speech  2  noun
Explanations in Malagasy  3  fahatsiarovana amin' alahelo olona na zavatra (toy ny tanàna na tany) noho ny fitiavana: Anisan' ny fihetseham-po mamelovelo so am-pony embona ny tanindrazana [1.1]
Explanations in English  4  sigh [1.209]
Explanations in French  5  regret
soupir poussé en songeant à une personne ou à un objet chéri, absent ou perdu [1.3]
Examples  6  Hita mifaritra mazava ny azy ny embona. [2.314]
7  Tsy tana ny embona : " Vitsika momba kitay, hoy Jean Narivony, ka manimanina ny any aminay! [2.356]
8  Izay no voalohany nandehanan' ny sainy tany amin' i Sahondra, dia ohatra ny nisy embona nifangaro hatezerana nibosesika tao am-pony. [2.529]
Derivatives 
Active verbs :
Passive verbs :
Relative verbs :
Names :
Vocabulary  18  Emotions
Analogs  19  hanina

Entry (2/3)20  embona
Part of speech  21  noun
Explanations in French  22  flotter [Tankarana] [1.19]
Derivatives 
Active verbs :
Relative verbs :

Entry (3/3)25  Embona
Elementary words  26  embona
Part of speech  27  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  28  Literature: poems
Author  29  Razafindrafidy Bien-Aimé
Full text  30  Midona malefaka ery Ankaratra,
31  vaky tsipelana ny eny Anjafy.
32  Midona kanefa tsy fahavaratra,
33  fa erika kely no re mifafy.

34  Lanitra soa, tomarataratra,
35  otronin'ny rahona mitsitoko,
36  kanefa, ry lahy, iry Ankaratra
37  zary manjombona sy manjoko.

38  Ankaratra ô! nahoana kosa,
39  manembona ve ilay nisaraka,
40  ka ny tolokony miavosa
41  eo aminao no te-hiraraka?…

42  Raha manina izy ka mitomany,
43  lalim-pisento fa te-hiverina,
44  asaivo mitony hangina ihany
45  fa toraka izany'lay eto Imerina!

46  Ny sentom-pony raha tonga fatra
47  - ka indro mandrotika ny fanahy -
48  aoka hionona fa ny ratra
49  iombonako aminy lavitra ahy!

50  Tsy oram-baratra no midona, fa
51  fo feno hanina no miteny,
52  ka ny vetsom-panahiny kely foana
53  tsy sasa-mivezika sy manjeny.

54  Eny, ry rahona ery Ankaratra!
55  ry rahona fotsy iaraha-mijery,
56  meteza ianao mba ho fitaratra
57  hampita ny sarin'ilay miery.

58  Vaky tsipelana ve Anjafy
59  ka tsy hidoboka iry Ankaratra?
60  Raha izy misento ka mafimafy,
61  ny foko no toy ny latsaham-baratra!

Anagrams  62 ambeno, 63 ambone, 64 añombe, 65 bomena, 66 embona, Embona, 67 mañebo

Updated on 2025/10/11