|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  lahy
Sokajin-teny  2  anarana na mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3 Teny entina milaza olona na biby mifanohitra amin' ny vavy. Raha itenenana olona ny hoe lahy dia fampiasa: 1) Hilazana zanaka lahy: Dimy mianadahy ny zanako; telo vavy, roa lahy. 2) Miaraka amin' ny teny milaza isa: Dia niainga izy roa lahy. 3) Ilazana ny vady lahy: Rasoa no ao fa ny lahy vao lasa nivoaka
4 Manana ny fomba na toetran-dehilahy: Hanao tantsambo hono ny zanany lahy. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5 a male, a man; a husband
6 masculine [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7 mâle; homme; mari
8 mâle, masculin [1.8]
9 mâle [Sakalava-Mayotte] [1.405]
Ohatra  10  Endrey, hoy ny lahy somary nihoraka; [2.470#102]
11  lahy iray izay no mba azy, tsy mitoetra miaraka aminy akory fa lasa nihary any anindratany any [2.470]
12  Dekona lahy sy vavy Analakely. [2.59#284]
13  ombi-lahy mitrena an-tseranana [2.245#53]
Haiendriteny 
14  Tsotra :
15  Tovonana :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Anarana :
Mpamaritra :
Tohi-kevitra  25 vavy
Kamban-teny rehetra  26  Fikambanana 321 amin' io teny io
Ohabolana  27  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2)28  lahy
Sokajin-teny  29  tenim-piontanana [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  30 Tenim-piontanana enti-milaza:
31 1) Alahelo, tsy fanampoizan-javatra: Lasa tokoa lahy izy!
32 2) Fiangaviana na fangatahana somary miambezo: Mba omeo aho lahy!
33 3) Fisalasalana, tsy fahalalana: Asa lahy! fa tezitra foana teo izy
34 4) Faniriana: Raha nanam-bola aho lahy novidiko itỳ saha itỳ [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  35 used in phrases like:
36 asa lahy!,
37 tsara lahy!,
38 maty lahy! [1.2]
Kamban-teny rehetra  39  Fikambanana 3 amin' io teny io

Fivaditsoratra  40 haly, 41 hila, lahy

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17