|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/2) | 1 lahy |
| Sokajin-teny | 2 anarana na mpamaritra |
| Fanazavàna teny malagasy |
3 Teny entina milaza olona na biby mifanohitra amin' ny vavy. Raha itenenana olona ny hoe lahy dia fampiasa: 1) Hilazana zanaka lahy: Dimy mianadahy ny zanako; telo vavy, roa lahy. 2) Miaraka amin' ny teny milaza isa: Dia niainga izy roa lahy. 3) Ilazana ny vady lahy: Rasoa no ao fa ny lahy vao lasa nivoaka
4 Manana ny fomba na toetran-dehilahy: Hanao tantsambo hono ny zanany lahy. [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
5 a male, a man; a husband
6 masculine [1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
7 mâle; homme; mari
8 mâle, masculin [1.8] 9 mâle [Sakalava-Mayotte] [1.405] |
| Ohatra |
10 Endrey, hoy ny lahy somary nihoraka;
[2.470#102]
11 lahy iray izay no mba azy, tsy mitoetra miaraka aminy akory fa lasa nihary any anindratany any [2.470] 12 Dekona lahy sy vavy Analakely. [2.59#284] 13 ombi-lahy mitrena an-tseranana [2.245#53] |
| Haiendriteny |
|
| Sampanteny |
|
| Tohi-kevitra | 25 vavy |
| Kamban-teny rehetra | 26 Fikambanana 321 amin' io teny io |
| Ohabolana | 27 Ohabolana misy io teny io |
| Teny iditra (2/2) | 28 lahy |
| Sokajin-teny | 29 tenim-piontanana [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
30 Tenim-piontanana enti-milaza:
31 1) Alahelo, tsy fanampoizan-javatra: Lasa tokoa lahy izy! 32 2) Fiangaviana na fangatahana somary miambezo: Mba omeo aho lahy! 33 3) Fisalasalana, tsy fahalalana: Asa lahy! fa tezitra foana teo izy 34 4) Faniriana: Raha nanam-bola aho lahy novidiko itỳ saha itỳ [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
35 used in phrases like:
36 asa lahy!, 37 tsara lahy!, 38 maty lahy! [1.2] |
| Kamban-teny rehetra | 39 Fikambanana 3 amin' io teny io |
| Fivaditsoratra | 40 haly, 41 hila, lahy |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17 |
|