|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  mandotra
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Karazam-bibilava lehibe, vasoka somary misy mainty mivolonkary ny volony, ary malaza ho masiaka
4 Karazam-bibilava lehibe malaza ho mivelona ao anaty lava-bitsika, ka izany no iantsoana azy koa hoe renivitsika [1.1]
Voambolana  5  Haibiby: biby mandady ary biby miain-droa
Tovy hevitra  6 manditra, renimanditra

Teny iditra (2/2)7  mandotra
Fototeny  8 dotra
Sokajin-teny  9  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  10 Mandevona amin' ny afo: Didian' ny fanjakana ny mandotra ny fitafian' izay matin' ny habokana na nendra
11 Manamasaka: Mandotra biriky, mandotra sokay
12 Manery: Mandotra ny lehiben' ny fokontany ny fanjakana hanenjika ny mpangalatra omby
13 Mandoro ary manala ny volom-biby vonoina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  14 to burn with fire [1.2]
Ohatra  15  Nefa taoriana dia samy namono ny azy indray, fa niforetan' ny mandotra tao anatiny. [1.437#]
Haiendriteny 
16  Ny ankehitriny :
17  Ny lasa :
18  Ny hoavy :
19  Filaza mandidy :
Kamban-teny rehetra  20 mandopotsy

Fivaditsoratra  mandotra, 21 mandrota

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17