|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/2) | 1 mihinana |
| Fototeny | 2 hinana |
| Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
| Fanazavàna teny malagasy |
4 Mitsako ary mitelina ventin-kanina mba hahavelona ny tena: Mihinam-bary ny Malagasy
5 Mikiky: Mihinana ny vy ny haro fesina 6 Mankahia, mampihena: Mihinana azy ny eritreriny 7 Maka zavatra ankeriny (aman' olona): Nihinam-bolan' olona, hono, Rangahy io [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
8 to eat; to use up; to embezzle funds
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
9 manger; consommer; détourner des fonds
[1.8] 10 [mihinaña] [Sakalava-Mayotte] manger [1.405] |
| Ohatra |
11 Ary nony nihinana kelikely, hono, izy, dia hoy izy:
[2.293]
12 Aza mihinana ny varin' Andriambahoaka re ianareo [2.470#138] 13 Eo ampanaovana izany anefa, mahazo mihinan-katsaka izay te hihinana ary na firy na firy. [2.472#21] |
| Haiendriteny |
|
| Mpanahaka | 18 homana, 19 mamahan-tena, 20 mamango, 21 mambosibosika, 22 mambosika, 23 managorodana, 24 manao indraim-bava, 25 manao rapa-dango, 26 manao sesimontotra, 27 manao teli-moka, 28 manao tombokitsatsy, 29 manao tombok' orona, 30 manao tranga, 31 manao vakim-borona, 32 manao voky, 33 mandrapaka, 34 mandrepoka, 35 manendry, 36 manesika, 37 mangeboka, 38 manoranorana, 39 mianjady, 40 mibibaka, 41 mifotafota, 42 Miharaka, 43 mijao, 44 mikesokesoka, 45 miletra, 46 mimontsina, 47 miosanosana, 48 mipaka, 49 misatrasatra, 50 mitelina, 51 mitomboka, 52 mitsamontsamona, 53 mitsingintsingina, 54 miviravira |
| Fikambanana | 55 Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 2 misy ny teny how mihinana |
| Ohabolana | 56 Ohabolana misy io teny io |
| Teny iditra (2/2) | 57 mihinàna |
| Fototeny | 58 hinana |
| Sokajin-teny | 59 filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mihinana [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
[1.1] |
| Fanazavàna teny frantsay |
[1.3] |
| Fivaditsoratra | mihinàna, mihinana |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/04/26 |
|