|
|
|
|

Entry (1/3)1  mijanona
Part of speech  2  active verb
Root  3  janona
Morphology 
4  Present :
5  Past :
6  Future :
7  Imperative :
Explanations in Malagasy  8  [1.1] Mitsahatra mandeha, miteny, manao zavatra: Nijanona tamin' ny fito sy fahatelony ny famantaranandroko
Mitoetra, mipetraka, maharitra: Aza mijanona ela any an-tsena ~ Nijanona tapa-bolana tany Amborovy izahay
Mifarana, tsy mitohy intsony: Nijanona ny ady fa be loatra ny maty tamin' ny ankilany
Tapaka, miato: Nijanona hateloana ny orana dia avy indray
Explanations in English  9  [1.7] to stop
Explanations in French  10  [1.3#292] S’arrêter, rester, cesser, être interrompu, suspendu. Nijanona ný famantaranandro lehibe. L’horloge s’est arrêtée. Nijanona tany an-dàlana ny marary. Le malade s’est arrêté, est reste en route. Nahoana no nijanona ela toy izany tany an-tsena ialany ? Pourquoi es-tu resté si longtemps au rçarcné? Nijanona tsy misotro toaka intsony izy. Il a cessé de boire du rhum. Nijanona ny ady, nony maty ny Jeneraly. Le combat cessa, lorsque le général eut été tué. Nijanona io mpiasa io. Cet ouvrier a cessé de travailler, no travaille pas. Mijanona iray volana ny fanaovana ny tranon’ ny govornora. La construction de la maison du gouverneur est interrompue, suspendue endant un mois
11  [1.8] s'arrêter
Analogs  12  miato, mitsahatra, mianona, mianina, mionona, miafitra, mitsatoka, miantsona, mihantona, manahana, mitokana, misento, maka aina, miala janona
Proverbs  13  Proverbs containing the word mijanona

Entry (2/3)14  mijanona
Part of speech  15  adjective
Root  16  janona
Explanations in Malagasy  17  [1.13] tsy miova eo amin'ny toerana sy ny fotoana iray, tsy mandeha
Explanations in French  18  [1.13] stationnaire; arrêté

Entry (3/3)19  mijanòna
Part of speech  20  imperative of active verb mijanona [Full list]
Root  21  janona
Explanations in Malagasy  22  [1.1]
Explanations in French  23  [1.3]
Examples  24  [2.996] mijanòna ianareo, ka mitalanjòna, Tampeno ny masonareo, koa aoka ho jamba ianareo!

Anagrams  25  anjanoim, anjoanim, anjoniam, ianjonam, ijanonam, manjonia, maonjani, mianjòna, mianjona, mijanona, mijanòna

Updated on 2025/08/10