|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  milofo
Fototeny  2 lofo
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Miezaka amin-kiry, mampiasa ny hery rehetra azo atao, mikely aina: Nilofo mafy tamin' ny fianarana izy ka tsy mahagaga raha afa-panadinana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5 to persevere, to persist [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  6 persévérer, s'opiniâtrer [1.8]
Haiendriteny 
7  Ny ankehitriny :
8  Ny lasa :
9  Ny hoavy :
10  Filaza mandidy :
Mpanahaka  11  fola-damosina, 12  may volon' orona, 13  may volon-tratra, 14  manao ain-tsy ho zavatra, 15  manao' amboa ditsika, 16  manao ampinga tratra, 17  manao an' aina, 18  manao an-ditra, 19  manao anjolofo, 20  manao botraika, 21  manao kely andilana, 22  manao lazo be, 23  manao sakafo ambany foitra, 24  manao salaka fohy rambo, 25  manao valangitrika, 26  manao vy very ny aina, 27  mandany mondron-kery, 28  mandany ron-doha, 29  miady fo, 30  miady fo aman' aina, 31  mialakabontana, 32  mialakaforo, 33  miantotomaty, 34  miezaka, 35  mifofotra, 36  mikaozatra, 37  mikely aina, 38  mikezaka, 39  mikikitra, 40  mikiry, 41  mikiribiby, 42  mikofo, 43  mikoko-maty, 44  mikokotra, 45  mikoremby, 46  milofika, 47  milozoka, 48  mimaso, 49  mimokimoky, 50  mimokitra, 51  miokitra, 52  miongo-bolo, 53  misikim-ponitra, 54  mitozo, 55  mivaky tratra, 56  sady mifofotra no mively vy, 57  tsy manamohamo, 58  tsy manary karama, 59  tsy mandala aina, 60  tsy mandry andro tsy mandry alina, 61  tsy miala vehana, 62  tsy mikely soroka, 63  tsy mikoso-maso, 64  tsy miroa fo, 65  tsy misatry fanahy, 66  tsy mitandro hasasarana, 67  tsy mitarain-tanana ompaka

Teny iditra (2/2) 68  milofo
Fototeny  69 lofo
Sokajin-teny  70  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  71 Manana omby hovonoina hatao lofo [1.1]

Fivaditsoratra  72 mifolo, milofo

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22