|
|
|
|

Teny iditra1  miparitaka
Fototeny  2 paritaka
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Miely tsy amin' ny toerana iray, mihahaka, mipariaka: Vonjeo fa miparitaka ny ondry
5 Mandositra atsỳ sy arỳ, hatraiza hatraiza: Niparitaka ny ankizy nony tonga ny polisy
6 Misafotofoto, mifotofoto, misavorovoro, misaritaka: Tsy ho vita haingana ity fa miparitaka ny kofehy [1.1]
7 miely [1.13]
Fanazavàna teny anglisy  8 to scatter [1.2, 1.7]
Fanazavàna teny frantsay  9 s'éparpiller [1.8]
10 se disperser [1.13]
Ohatra  11  miparitaka manodidina ny trano lay ny lasin' ny mpiasa. [2.472]
Haiendriteny 
12  Ny ankehitriny :
13  Ny lasa :
14  Ny hoavy :
15  Filaza mandidy :
Mpanahaka  16  mamenotanety, 17  miely, 18  mielipatrana, 19  mihahaka, 20  mihanaka, 21  miitatra, 22  miparasadrasaka, 23  miparasaka, 24  mipariaka, 25  misaratsaraka

Fivaditsoratra  miparitaka, 26 mipatriaka

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17