|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 mitombo |
| Fototeny | 2 tombo |
| Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
| Fanazavàna teny malagasy |
4 [Antesaka] mihalehibe; mihamaro
[1.78] 5 Mihalava, maroroka, mihalehibe: Mitombo dia mitombo ity zaza ity ~ Nitombo fahendrena izy 6 Mihamaro, mihabe, mihabetsaka: Vetivety foana dia nitombo ny isan' ny mponina 7 Mitatra, mandroso: Tsy mitsaha-mitombo ny varotr' io Rangahy io 8 Misondrotra: Nitombo be ny rano hatramin' ilay orana farany tao 9 Mihatsara: Izay tiana mitombo tarehy [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
10 to increase; to grow
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
11 croître
[1.8, 1.13] 12 augmenter [1.8] 13 pousser, grandir, se développer [1.13] |
| Ohatra |
14 mitombo saina tokoa ny ankizy, mitombo fanahy, mitombo vatana koa, tsy azo lavina.
[2.470#82]
|
| Haiendriteny |
|
| Sampanteny |
|
| Mpanahaka | 20 mamokatra, 21 manabe voho, 22 manana, 23 manao be filaza, 24 manao filazan-dRamitraho, 25 manao hararaotra, 26 manao kitsanitsany, 27 manao laza habobo, 28 manao laza masaka, 29 manao lazam-balala, 30 manao laza rezatra, 31 manao tera-bao filaza, 32 manitatra, 33 manjanaka, 34 masadroatelo, 35 matavy filaza, 36 mihalehibe, 37 mihamafy, 38 mihasarotra, 39 mihombo, 40 miitatra, 41 milaza valamaty |
| Fikambanana | 42 Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 2 misy ny teny how mitombo |
| Ohabolana | 43 Ohabolana misy io teny io |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22 |
|