|
|
|
|

Entry (1/2)1  ririnina
Part of speech  2  noun
Explanations in Malagasy  3  [1.1] Fizaran-taona mangatsiaka, manarakaraka ny fararano, izay iririsan' ny fanala ny ravin-kazo ka mahatonga azy hihintsana: rakodrahona matetika ny lanitra ary mifafy ny erika arahindrivotra mamirifiry avy atsimo atsinanana; hatramin' ny volana jiona ka hatramin' ny aogositra no aharetan' ny ririnina. (Ny ririnina dia antsoina koa hoe: main-tany)
Explanations in English  4  [1.7] winter, the cold and dry season
Explanations in French  5  [1.8] l'hiver, la saison froide et sèche
Examples  6  [2.470] natahorana hosovoka vao maraina ny hatsiaka noho ny fiandohan' ny ririnina.
7  [2.472] Ny ririnina nanaraka iny fahavoazana niraisana iny mantsy, nanorina trano biriky ngezabe ry zareo.
Vocabulary  8  Time
9  Geography: (in general)
Morphology 
10  Simple :
11  Prefixed :
Derivatives 
12  Active verbs :
13  Names :
Synonyms  14  main-tany
Analogs  15  lohataona, fahavaratra, fararano
Compound words 
Phytonyms 
Titles  21  Lohataona sy ririnina (Ratsifandrihamanana Clarisse)
22  Ririnina (Andrianjatovo Haëckel)
23  Ririnina ny andro (Raharolahy Elie)
Proverbs  24  Proverbs containing the word ririnina

Entry (2/2)25  Ririnina
Part of speech  26  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  27  Literature: poems
Elementary words  28  ririnina
Author  29  Andrianjatovo Haëckel
Text  30  Nankaiza ny tsiky, ny lanitra manga
31  No be sorisory sy maloka lava?
32  Somparan'ny rahona ka tsy mitranga
33  Ny fara-masoandro natao hanazava
34 
35  Nankaiza ny ravina, elon'ny hazo
36  Ny vony mivelatra, radon'ny saha?
37  Finaokan'ny rivotra fa efa malazo
38  Tsy ho hitan'ny mason'ny tia zahazaha
39 
40  Mangina ny feo mikotaba ao an'ony
41  Fitopa malefaka sy eri-mitaika
42  No reko mahalana, tony dia tony
43  Nankaiza ny riana mahery fiantraika?
44 
45  Ny tampon-tanety nahoana no ngazana?
46  Ny tendron-kavoana no mangadihady?
47  Mahaiza mandinika rehefa mitazana
48  Ny fotoa-mamanala efa tonga sahady
49 
50  Izany ka izany no tsy andrenesana
51  Ny vazon'ny vorona zatra mihira
52  Matahotra hatsiaka sy fahafatesana
53  Ka lasa mihataka arý an-dakira
54 
55  Izany ka izany no tsy ahitana
56  Aina marisika, vonon-kiasa
57  Ny andro kanefa dia mbola hafana
58  Ny hatsiakan-dririnina koa ho lasa

Anagrams  59  ririnina, Ririnina

Updated on 2025/05/08