Entry | tsodrano | ||||||
Elementary words | tso- (tsotra) ; rano | ||||||
Part of speech | locution | ||||||
Explanations in Malagasy | (taloha) Rano nafafy tamin' olona na natao tao am-bava dia notsofina hifafy aminy, ka ny nofafazana tamin' io rano io indrindra dia ny olona marary na ny handeha hivahiny lavitra (ilay tsodrano natao tao am-bava dia natao koa hoe ranom-bavaka) (ankehitriny) firarian-tsoa heverina ho manan-kery, avy amin' ny olon-dehibe na ray aman-dreny: Omeo ny tsodranonao aho, ry dada, fa hanambady (ankehitriny) vola kely omena ny tompon-draharaha ho maripihavanana raha misy hasoavana, fanambadiana: Manatitra tsodrano Anaran' ny vola ampiarahina amin' ny tsodrano: rom-patsa, patsan' ny mpifana, tsodranon-jaza, fenakoho, vodiakoho, zara fihinanana, fanaovam-beloma, fandraisantanana, ro mafana [1.1] | ||||||
Explanations in French | [ tso-drano ] Aspersion, bénédiction, souhaits d'adieu Action de céder [1.3] | ||||||
Examples | Dia lasa ny vahiny, narahan' izy mivady saotsaotra sy tsodrano.
[2.472] | ||||||
Derivatives |
| ||||||
Updated on 2023/12/04 |