|
|
|
|

Teny iditra (1/10)1  hasina
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 hery misy fahefana hanasoa na handresy, heverina ho misy ao amin' ny fanahy na olona
4 na zavatra na toerana sasany, ka mahatonga azy hohajaina, hankatoavina, hatahorana.
5 Ohatra: matahotra ny hasin' ny Zanahary sy ny razana ary ny Vazimba ny ntaolo, ka manaja azy ireo fatratra
6 sy mivavaka taminy. Mbola misy tavela saiky eran' ny Nosy ny atao hoe tany masina sy hazomasina sy
7 loharano masina ary biby masina koa. Samy ninoana sy natahorana ny hasin' ny andriana, ny ody ny ozona
8 sy ny tsodrano [1.10]
9 Hery ananan' ny zavatra iray: Misy hasina mahasitrana aretina maro ity hazo
10 Toetra ambony tsy azo tsiratsiraina, manome hery na fahefana mihoatra ny toetran' olombelona: Manan-kasina ny tanindrazana ~ Ninoan' ny Malagasy ny hasin' ny Mpanjaka
11 Haja, hamendrehana ananan' ny tsirairay: Maty hasina aho fa nodikain' ilay iny ny lohako
12 Hery, zo, sata, fandaitra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  13 "mana" or sacred power; sanctity; virtue [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  14 vertu, force, puissance, la grâce, propriété naturelle ou surnaturelle, efficacité, vertu attachée à un objet, ce qui rend digne de respect [1.3]
15 vertu ou puissance mystique ou surnaturelle; sainteté [1.8]
16 Pouvoir surnaturel attribué à certaines plantes : Misy hasina mahasitrana aretina maro ity hazo ity : cet arbre a le pouvoir, la vertu de guérir plusieurs maladies (R. P. Malzac). Ce mot racine souvent prononcé hasy a donné les mots mpimasy, omasy, ombiasy, noms dans les diverses régions des spécialistes du traitement par les plantes [1.196]
Ohatra  17  Nasain'Ilaidama nandoa hasina Andriambola, dia afaka. [2.298]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Anarana :
Mpamaritra :
Voambolana  28  Filôzôfia
Tovy hevitra  29 fandaitra, hery, sata, zo
Kamban-teny rehetra  30  Fikambanana 16 amin' io teny io
Ohabolana  31  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/10)32  hasina
Sokajin-teny  33  anarana
Fanazavàna teny malagasy  34 sira: Tsy ampy hasina ny laoka [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  35 sel, saveur, goût [1.3]

Teny iditra (3/10)36  hasina
Sokajin-teny  37  anarana
Fanazavàna teny malagasy  38 harikivy: tsy tamitamy ny hasiñ'io voangy io (tsy zaka ny harikivin'io voasary io) [Tanala] [1.78]

Teny iditra (4/10)39  hasina
Sokajin-teny  40  anarana
Fanazavàna teny malagasy  41 vidy, vidiny [Tambahoaka] [1.78]

Teny iditra (5/10)42  hasina
Sokajin-teny  43  anarana
Fanazavàna teny malagasy  44 Vola na zavatra hafa atao fanomezana amin' ny fotoana na toe-javatra sasantsasany: Hasin-jaza, hasin-tanana
45 Vola tsy vaky atolotra ny mpanjaka amin' ny fandroana ho fankatoavana ny maha-andriamanjaka azy: Niakatratany an-drova nanolotra ny hasina ho an' ny Mpanjaka isam-pirenena ny vahoaka
46 Vola nomena ny mpanjaka raha nisy raharaha toy ny fifampivarotana, ny fananganana na fanarianjaza... teo amin' ny fokonolona: Vola roa karazana no no-m en' izay nanan-d raharaha natao teo amin' ny fokonolona, dia ny hasina ho an' ny Andriamanjaka ary ny orimbato ho an' ny fokonolona [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  47 a ceremonial gift [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  48 cadeau rituel [1.8]
Kamban-teny rehetra  49  Fikambanana 3 amin' io teny io
Lahatsoratra  50 Randzavola: hasina ao amin' ny Baiboly (=> hetra)

Teny iditra (6/10)51  hasina
Sokajin-teny  52  anarana
Fanazavàna teny malagasy  53 Fanolanana zavatra, toy ny kofehy, tady; fampihevingevenana, fandrotsirotsiana [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  54 action de rouler, comme en filant, en tordant des cordes
55 action de bercer, d'agiter, de balancer quelqu'un ou quelque chose dans un drap, une couverture, un hamac [1.3#223]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :

Teny iditra (7/10)59  hasina
Sokajin-teny  60  anarana
Fanazavàna teny malagasy  61 Ny ilany iray amin' ireo toa efitrefitra mielakelaka na misaratsaraka amin' ny zavatra iray: Hasim-boasary [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  62 (du malais asing) Nom donné aux compartiments de certains fruits ; exemple hasim-boasary : quartier d'une orange. Par extension, nom donné aux loges de l'ovaire dans une fleur.
63 Le verbe mihasinkasina s'applique aux fruits qui se séparent en tranches ou quartiers comme l'orange, le citron, etc. Miefitra anatiny toa hasim-boasary : se séparer à l'intérieur comme les quartiers d'une orange ; au sens figuré, se dit des jeunes ménages qui s'isolent dans la grande famille patriarcale [1.196]
Sampanteny 
Anarana :

Teny iditra (8/10)65  hasina
Sokajin-teny  66  anarana
Fanazavàna teny malagasy  67 Hazo tsy dia lehibe loatra, lava somary etiety velarana ny raviny, izay mitangorona eo amin' ny toerana iray, ka misandrahaka manodidina ny vatany (Dracoena augustofolia).
68 Hazo fahita teo akaikin' ny fasam-bazimba na tamin' ny tanàna nonenan' ny Andriana fahiny koa ny hasina [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  69 Nom générique donné aux plantes considérées comme sacrées, magiques ; elles servaient à l'origine à délimiter l'espace approprié par l'homme de la nature sauvage où régnaient les forces occultes les plus dangereuses.
70 Ce sont toujours des espèces qui se bouturent facilement, il suffit d'en casser une tige et de la ficher en terre pour que repousse un nouveau sujet. Dracaena angustifolia Roxb. est la principale espèce connue sous ce nom. Mais on l'attribue aussi à Dracaena reflexa Lam. et Dracaena xiphophylla Baker. (Asparagaceae)
71 De nos jours les Malgaches pensent que ces plantes marquent les sépultures des anciens habitants dits vazimba ; ceux qui vivaient à l'époque où l'on ignorait l'esclavage et la division de la société en classes. On emploie surtout cette plante magique pour préparer l'ody tendrihatoka [Merina] [1.196]
Voambolana  72  Haizavamaniry
Kamban-teny rehetra  73 hovi-kasina
Anarana ara-tsiansa 

Teny iditra (9/10)76  hasina
Sokajin-teny  77  anarana
Fanazavàna teny anglisy  78 the cotton plant or cotton. Same as landihazo [Betsileo] [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  79 (souvent prononcé hasy). Nom donné aux cotonniers :
80 Gossypium arboreum L., Gossypium barbadense L., etc. (Malvaceae) et aussi à leur produit, le coton [Betsileo] [1.196]
Anarana ara-tsiansa 

Teny iditra (10/10)83  Hasina
Singan-teny  84 hasina
Sokajin-teny  85  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  86  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  87 Rabearivelo Jean-Joseph
Lahatsiratra manontolo  88 
89  Fiançons aujourd'hui nos graves destinées
90  et qu'en l'azur nos chants aient une voix égale :
91  nos âmes sont pareillement infortunées
92  car nous avons perdu notre force ancestrale !

93  La terre qui nourrit tes vivaces racines,
94  les ramiers dont l'amour élit ta touffe sombre,
95  ni l'air bu ne sont pas ceux de tes origines,
96  et ta présence ici n'est que celle d'une ombre !

97  Quant à moi, fils des Rois d'une époque abolie,
98  reposant au rebord d'un tombeau qu'on oublie,
99  je chante d'une voix qui n'est pas de mes morts !

100  Mais, nous savons, palmier, vivant notre nouvelle
101  vie, avoir le front ceint de nos fleurs les plus belles
102  et nous jouer ainsi des rigueurs de nos sorts !

Fivaditsoratra  hasina, Hasina, 103 Nahasy, 104 sahany, 105 sahina

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/27