|
|
|
|

Teny iditra (1/5)1  re
Sokajin-teny  2  matoanteny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3 Heno:
4 Renao ve izany vorona mihira izany?
5 Fantatra:
6 Efa renao ny nialan-dRakoto.
7 Tsapan' ny fandrenesana, toy ny fanamboloana:
8 Tsy reko izany fofona ao izany fa voan' ny sery aho;
9 ny fandrenesana tsiron-kanina:
10 Tsy reny akory ny hamamin' ny siramamy;
11 ny fikasihana:
12 Reko ny tsongo ataony ahy.
13 Tsaroana: Reko tsara loatra izany fahoriako [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  14 heard; perceived by the senses, as pain or smell [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  15 entendu [1.3, 1.8]
16 appris, senti, perçu par les sens du goût, de l'odorat, du toucher [1.3]
17 perçu par le sens du toucher, l'odorat, du goûter [1.8]
Ohatra  18  Ho ren'olo ka ho maty aho. [2.606]
19  Avereno kely hoe ho reko tsara. [2.895]
20  Tsy nisy hitany na reny nanatona anefa [2.472]
21  reny tsara ny fiakatry ny fofon-jezika ary maharikoriko azy [2.470]
22  Taitra dia taitra izy, fa avy any ambony ilay zavatra reny, ka fantany fa tsy izy mianaka avy naka orana tary an-dohasaha ambany [2.324]
Haiendriteny 
23  Ny ankehitriny :
24  Ny lasa :
25  Ny hoavy :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Tovy hevitra  44 reny
Kamban-teny rehetra  45  Fikambanana 7 amin' io teny io
Ohabolana  46  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/5)47  re
Sokajin-teny  48  kianteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  49 Kianteny kely fanao amin' ny fehezanteny manontany raha manontany tena ilay miteny:
50 Inona re no hataoko e; handeha sa hijanona?;
51 ary amin' ny fehezanteny tsotra kosa raha mangataka mitalaho:
52 Mifona re, tompoko, fa tsy hanao intsony aho [1.1]
Ohatra  53  Nahoana re no anton'izany? [2.324]
54  Aoka re, anaka. [2.470]
Kamban-teny rehetra  55  Fikambanana 3 amin' io teny io

Teny iditra (3/5)56  ~re~
Sokajin-teny  57  tsofoka [Fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay  58 infixe qui sert à former le pluriel des
59 pronoms-adjectifs démonstratifs: io -> ireo [1.12]

Teny iditra (4/5)60  re    
Sokajin-teny  61  anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy  62 Ny feo faharoa manarakaraka ny do amin' ny ambaratongam-peo fito amin' ny gama [1.1]
Voambolana  63  Feon-kira: (amin' ny ankapobeny)
Mpanahaka  64  do, 65  fa, 66  la, 67  mi, 68  si, 69  sol
Sary 

Teny iditra (5/5)70  Re    
Sokajin-teny  71  anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy  72 Singa mivaingana, faha-75 amin'ny
73 fisokajiana miherina. [3.1]
Fanazavàna teny anglisy  74 Rhenium. [3.1]
Fanazavàna teny frantsay  75 Rhénium. [3.1]
Voambolana  76  Simia
Tsanganana sy sary iray takila  77  Fisokajiana miherina

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/20