|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/5) | 1 re |
| Sokajin-teny | 2 matoanteny mpamaritra |
| Fanazavàna teny malagasy |
3 Heno:
4 Renao ve izany vorona mihira izany? 5 Fantatra: 6 Efa renao ny nialan-dRakoto. 7 Tsapan' ny fandrenesana, toy ny fanamboloana: 8 Tsy reko izany fofona ao izany fa voan' ny sery aho; 9 ny fandrenesana tsiron-kanina: 10 Tsy reny akory ny hamamin' ny siramamy; 11 ny fikasihana: 12 Reko ny tsongo ataony ahy. 13 Tsaroana: Reko tsara loatra izany fahoriako [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
14 heard; perceived by the senses, as pain or smell
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
15 entendu
[1.3, 1.8] 16 appris, senti, perçu par les sens du goût, de l'odorat, du toucher [1.3] 17 perçu par le sens du toucher, l'odorat, du goûter [1.8] |
| Ohatra |
18 Ho ren'olo ka ho maty aho.
[2.606]
19 Avereno kely hoe ho reko tsara. [2.895] 20 Tsy nisy hitany na reny nanatona anefa [2.472] 21 reny tsara ny fiakatry ny fofon-jezika ary maharikoriko azy [2.470] 22 Taitra dia taitra izy, fa avy any ambony ilay zavatra reny, ka fantany fa tsy izy mianaka avy naka orana tary an-dohasaha ambany [2.324] |
| Haiendriteny |
|
| Sampanteny |
|
| Tovy hevitra | 44 reny |
| Kamban-teny rehetra | 45 Fikambanana 7 amin' io teny io |
| Ohabolana | 46 Ohabolana misy io teny io |
| Teny iditra (2/5) | 47 re |
| Sokajin-teny | 48 kianteny [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
49 Kianteny kely fanao amin' ny fehezanteny manontany raha manontany tena ilay miteny:
50 Inona re no hataoko e; handeha sa hijanona?; 51 ary amin' ny fehezanteny tsotra kosa raha mangataka mitalaho: 52 Mifona re, tompoko, fa tsy hanao intsony aho [1.1] |
| Ohatra |
53 Nahoana re no anton'izany?
[2.324]
54 Aoka re, anaka. [2.470] |
| Kamban-teny rehetra | 55 Fikambanana 3 amin' io teny io |
| Teny iditra (3/5) | 56 ~re~ |
| Sokajin-teny | 57 tsofoka [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny frantsay |
58 infixe qui sert à former le pluriel des
59 pronoms-adjectifs démonstratifs: io -> ireo [1.12] |
| Teny iditra (4/5) | 60 re
![]() |
| Sokajin-teny | 61 anarana (eva) |
| Fanazavàna teny malagasy |
62 Ny feo faharoa manarakaraka ny do amin' ny ambaratongam-peo fito amin' ny gama
[1.1] |
| Voambolana | 63 Feon-kira: (amin' ny ankapobeny) |
| Mpanahaka | 64 do, 65 fa, 66 la, 67 mi, 68 si, 69 sol |
| Sary |
|
| Teny iditra (5/5) | 70 Re
![]() |
| Sokajin-teny | 71 anarana (eva) |
| Fanazavàna teny malagasy |
72 Singa mivaingana, faha-75 amin'ny
73 fisokajiana miherina. [3.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
74 Rhenium.
[3.1] |
| Fanazavàna teny frantsay |
75 Rhénium.
[3.1] |
| Voambolana | 76 Simia |
| Tsanganana sy sary iray takila |
77 Fisokajiana miherina |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/20 |
|