|
|
|
|

Teny iditra1  Ny Tendrombohitra roambinifolo
Singan-teny  2 tendro, 3 vohitra, 4 roa, 5 amby, 6 folo
Sokajin-teny  7  kambanteny
Fanazavàna teny malagasy  8 Ny Tendrombohitra Roambinifolo na Tendrombohitra Masina dia ireo toerana nisy
9 razan' andriana na nametrahan' Andrianampoinimerina
10 ny vadiny aman-janany hampandry
11 tany, ary nanorenany rova sy lapa, misy kianja sy vatomasina fisaorana amin' my omby volavita
12 isam-pandroana. Tsy roambinifolo ihany akory izy ireo fa mahatratra enina amby roapolo
13 satria niampy arakaraka ny nandrosoan' ny famorian' Andrianampoinimerina an'
14 Imerina enin-toko.
15 Ireto ny anaran' ireo Tendrombohitra ireo:
16 1. Valo tao Avaradrano :
17 Ambohimanga, Antananarivo,
18 Ambohidrabiby,
19 Ilafy, Namehana,
20 Imerimandroso,
21 Amboatany, Ikaloy.
22 2. Fito tany amin' ny Vakinisisaony :
23 Ampandrana, Imerimanjaka,
24 Alasora, Iharanandriana,
25 Andramasina, Tsiafahy,
26 Ambatomanga.
27 3. Telo tany amin' ny Marovatana :
28 Ambohidratrimo, Ampananina,
29 Ambohimirimo .
30 4. Dimy tao amin' Ambodirano :
31 Androibe, Antsahadinta,
32 Fenoarivo, Vatolaivy,
33 Ambohibeloma.
34 5. Telo tao amin' ny Vakinankaratra :
35 Iarivo, Imanandriana,
36 Ambositra.
37 Nisy koa Tendrombohitra Roambinifolo notondroin'
38 Andriambahoaka II tany Imamo .
39 Ireto ireo Tendrombohitra ireo :
40 Ambohiniazy, Ambohitrambo,
41 Ambohitrondrana, Arivonimamo,
42 Ambatomanjaka, Ambohitrantenaina,
43 Ambohibolondrano, Ambohipolo,
44 Ambohibeloma, Ambohitsara,
45 Ambohijato, Ambohitrona. [2.508#423]
Fanazavàna teny anglisy  46 Three criteria define a holy hill in Imerina:
47 1.1 a burial place for princes and kings
48 1.2 a place to pay tribute to princes and kings
49 1.3 a residence of one of Andrianampoinimerina's official wives
50 
51 Four criteria identify the personnality of the holy hills:
52 2.1 hills of a relatively important altitude above the surrounding rice fields
53 2.2 hills having or having had a fort (rova)
54 2.3 hills having one or more tombs of princes or kings, and other relics still attracting pilgrims
55 2.4 hills having royal or princely housing, or a public meeting plazza (kianja) [2.505]
Fanazavàna teny frantsay  56 Trois critères définissent une colline sacrée en Imerina:
57 1.1 colline où l'on enterrait les princes et les souverains
58 1.2 colline où l'on rendait hommage aux princes et souverains
59 1.3 colline où Andrianampoinimerina a installé une des ses épouses officielles.
60 
61 Quatre critères identifient la personnalité des collines:
62 2.1 collines d'altitude plus ou moins importante par rapport aux bas-fonds rizicoles environnants
63 2.2 collines abritant ou ayant abrité un rova
64 2.3 collines accueillant un ou des tombeaux princiers ou royaux et objets de pélerinages contemporains
65 2.4 collines ayant fait l'objet de divers aménagement allant de l'habitat princier ou royal au kianja, place publique de réunion. [2.505]

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/20