|
|
|
|

Teny iditra1  ady
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Fifamelezana, fifanafihana amin' ny basy aman-defona:
4 Nahafaty olona antapitrisany maro ny ady lehibe roa farany
5 Fifampitoriana any amin' ny Fitsarana:
6 Manana ady amin-dRakoto, hono, Rabe
7 Tsy fifanarahana, mety hiafara amin' ny fifamaliana mafy na amin' ny fifamelezana mihitsy aza:
8 Ady be ny azy roa lahy momba ilay boky nindramin-dRanaivo ha veriny
9 Fihaonan' ny rafitra, fifanarahan-doko, fitovian' ny zavatra adika amin' ny dikany:
10 Manaitra ny maso avy hatrany ny adin' ny loko amin' ity sary ity [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  11 A fight, combat, quarrel, contention, battle, dispute, contest, attack, assault, war. Also of things fitting well, as a door and its posts, two straight pieces of wood fitting well together, two bricks, etc. etc. With suffix pronoun -ny, as adiny, it means a something difficult to be done. [Jav. Avd (?); or Ar. Adava.] [1.2]
12 fighting, war [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  13 guerre [1.3#2, 1.8, 1.5]
14 combat [1.3#2, 1.8, 1.13, 1.5]
15 discussion, dispute [1.3#2, 1.5]
16 procès [1.3#2, 1.5]
17 bataille
18 Ajustage, jonction, mélange des couleurs, accord d'une copie avec son original
19 accord des instruments ou des voix [1.3#2]
20 lutte [1.13]
Ohatra  21  maty tany an'ady izy (il est mort à la guerre) [1.3]
22  mahery an' ady izy (il est valeureux dans les combats) [1.3]
23  nanao ady samy irery Davida sy Goliata (David et Goliath se battirent en combat singulier) [1.3]
24  manana ady izy (il est en procès) [1.3]
25  mba taiza no nahita ady hianao? [2.324]
26  maty maina ireo namoy ny ainy, tsy nahatohitra ny ady tsy omby tratra, ady tamin' ny hery setra, ady koa tamin' ny zehitra, izay samy nilomany. [2.472]
Haiendriteny 
27  Tsotra :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Mpanahaka  49  adilahy, 50  fanditra, 51  fanjihitra, 52  fetrivoho, 53  fifandirana, 54  fifanjihirana, 55  gidragidra, 56  kisa, 57  sentsena, 58  sotasota, 59  vaniny, 60  vezovezo
Kamban-teny rehetra  61  Fikambanana 162 amin' io teny io
Ohabolana  62  Ohabolana misy io teny io
Lahatsoratra  63 Randzavola: ady ao amin' ny Baiboly (=> fahirano)

Fivaditsoratra  64 Adì, ady, 65 day, 66 dia

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17