|
|
|
|

Teny iditra1  maloto
Fototeny  2 loto
Sokajin-teny  3  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  4 Misy pentina, misy loto mifotetaka, tsy voadio: Maloto izany trano izany
5 Misolitika, misotisoty, tsy mahadio tena: Zaza maloto i Lita kely ka ihatahan' ny namany
6 Mahafabaraka: Raharaha maloto io ka hihatahako madiodio
7 Vetaveta: Tokony hofadina ny teny maloto [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  8 filthy [1.2, 1.7]
9 dirty [1.2]
10 impure [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  11 sale [1.3, 1.8]
12 impur [1.3]
13 souillé [1.8]
Ohatra  14  Marokoroko sy maloto daholo ny tenany rehetra. [2.472]
15  tsy mba azo nantsakána, fa maloto ny rano. [2.48]
16  Ireo no ho maloto aminareo amin' ny biby mandady [2.996#3.11.31]
17  Ny fitoeran-javatra rehetra misokatra fa tsy misy sarona mipetaka aminy, dia haloto [2.996#4.19]
Haiendriteny 
18  Ny ankehitriny :
19  Ny lasa :
20  Ny hoavy :
Tohi-kevitra  21 madio
Mpanahaka  22  mahafatyvorona, 23  mahamenatra, 24  mahavoafady, 25  mamoafady, 26  mifotafota, 27  mikesonkesona, 28  misavoretaka, 29  misoritika, 30  misotisoty, 31  misotitika, 32  mitavontavona, 33  solotidotika, 34  solotika, 35  somerongerona, 36  somitika, 37  tsyfampisehomasoandro, 38  tsymadiotena, 39  tsymadio, 40  tsilotidotika, 41  vazina, 42  vetaveta, 43  vorery
Kamban-teny rehetra  44  Fikambanana 3 amin' io teny io
Ohabolana  45  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17