|
|
|
|

Teny iditra1  adizaoza
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 fahatelo amin' ny filaharan' ny volana malagasy. Ny anarany dia nalaina avy tamin' ny anaran' ny antokon-kintana
4 izay ataon' ny Arabo hoe El-djoûza (Gémaux). Zana-bintana eo avaratry ny Asorotany izy, ary eo
5 atsimon' ny Adaoro. Eo amin' ny Adizaoza no fitoeran' ny sinibe ao an-trano.
6 Ny Alakaosy no tonom-bintana mifandratra amin' ny Adizaoza, na dia zana-bintana baben' ny Asorotany aza izy,
7 indrindra ange fa ny vava-Adizaoza. Ny zaza teraka amin' izany, raha tsy alàm-bintana, dia hanjary miozanozana
8 sy sahazanina tsy mba mahatontosa izay zavatra ataony, hany ka ho mahantra fadiranovana no hiafarany.
9 Ny fanalana ny vintana Adizaoza dia ny sahozanina (valala voatango), tsy afa-mandady, tsy afa-mitsipika,
10 fa miozanozana foana eo am-pitoerany eo, dia manahaka ny sinibe tsy mba mihetsiketsika izany, fa
11 migobogoboka fotsiny rehefa voadona.
12 Ny vodi-Adizaoza dia azoazo kokoa noho ny vavany: ny vehivavy teraka amin' izany dia ho tsy maro anaka,
13 na dia malahelon-karena aza: fa ny lehilahy kosa no tsy dia mba hambinina loatra amin' ny fihariana.
14 Rahefa tsaratsara fototra kosa anefa ny olona, toy ny efa manana andevo an-trano, na efa mitahiry vola
15 an-kitapo, ka ta-hanao zavatra tian-kateza, dia ny Adizaoza -- indrindra fa vodi-Adizaoza -- no andro tsara
16 ho fanaovana sy fisantarana izany. Koa izay mikasa hampaka-bady, na hanorin-trano, na haka vohitra, ets.,
17 ary sendra mifandratra amin' ny vintany ireo andro tsara voalaza ho fanaovana izany, dia ny tonon' andro
18 Adizaoza no fidiny, fa eo no marin-toerana sy tsy mihetsiketsika tahaka ny sinibe, ka dia hateza
19 tokoa ny zavatra atao amin' izany. [1.10]
20 
21 
22 
58 
120 
156 
157  [3.1]
158 Anaran' ny volana fahatelo amin' ny filaharan' ny ran' ny volana malagasy merina, aorian' ny Adaoro ary alohan' ny Asorotany, ka ny toerana nomen' ny Ntaolo azy dia eo amin' ny lafin-drindrina atsinanana, ilany atsimo. Isan' ny tononandro mahery indrindra ny Adizaoza, ka ny zaza teraka amin' izany raha tsy alam-bintana dia mihozangozana
159 Fanandroana: vavany, vodiny: raha vehivavy, maro anaka, fa malahelon-karena; raha lehilahy, malahelo [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  160 the name of the third month of the Malagasy year. [Ar. Al-dsehauza'n -- Gemini.] [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  161 Nom de la troisième lune et du troisième mois de l'année malgache [1.3]
Ohatra  162  Ary nony Alakamisy 27 adizaoza, 30 July 1891. [2.59]
Voambolana  163  Fotoana 164  Finoana
Renianarana 
Anarana iray reny 
Tsanganana sy sary iray takila  240  Fizaran' andro

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/20