|
|
|
|

Teny iditra 1  mangataka
Fototeny  2 hataka
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Miangavy hanome: Nangataka vola tamiko izy nefa tsy nomeko fa asa no nomeko azy
5 Miangavy hanao, mitalaho, mihanta: Mangataka anao aho mba hanasitrana an' Ineny
6 Mifona ho an' olona: Ianao izao no mba hangataka ho anay madinika any amin' ny lehibe. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7 to beg [1.2, 1.7]
8 to ask [1.2]
9 to ask for something [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  10 demander; mendier [1.8]
Ohatra  11  Kibo noana tsy mangataka andro. [2.558]
12  Koa mangataka olona aminao aho. [2.508#203]
13  Moa mety sa tsy mety ny mangataka amin' ny Razana? [2.314#107]
Haiendriteny 
14  Ny ankehitriny :
15  Ny lasa :
16  Ny hoavy :
17  Filaza mandidy :
Mpanahaka  18  mananty an-tanan-droa, 19  manao hatak' adala, 20  manao hata-maso, 21  manao hatapiso, 22  miambezo, 23  miangavy, 24  miangola, 25  miangoty, 26  mierina, 27  mifendrofendro, 28  mihanta, 29  mikonetaka, 30  milela-paladia, 31  mitalaho, 32  mitambitamby, 33  mitampesona, 34  mitofendro, 35  mitomany ambony fe, 36  mitosy, 37  mivavaka
Fikambanana  38  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 15 misy ny teny how mangataka
Ohabolana  39  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22