|
|
|
|

Teny iditra1  potraka
Sokajin-teny  2  matoanteny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3 Lavo: Nisolafaka izy ka potraka
4 Hevitra ohatra: Ny ketraka mora mivarina / Miroraka tonga kanosa; / Ny potraka nefa tafarina / Ireny ha olona kosa (Ny Avana)
5 Nianjera: Potraka avy teny an-davarangana ilay zaza
6 Miongana, mihem-boninahitra, nesorina amin' ny raharahany: Fatra-panao ny tsy rariny ny anao ka potraka [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7 fallen, fallen away [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8 tombé, déchu [1.8]
Ohatra  9  Ny potraka nefa tafarina, Ireny ka olona kosa! [2.298#]
10  dia mandoa sazy vola ariary 100, fa miandry teza ho potraka izany. [2.48#125]
Haiendriteny 
11  Ny ankehitriny :
12  Ny lasa :
13  Ny hoavy :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Mpanahaka  40  lavo, 41  mianjera, 42  miankarapoka, 43  miantofoka, 44  miantonta, 45  mibolaly, 46  mibolasitra, 47  mibolila, 48  mibolisatra, 49  midaboboka, 50  midaboka, 51  midalaboboka, 52  midaroboka, 53  midarofoka, 54  mihohoka, 55  mikodia, 56  mikodingy, 57  mikodingidingy, 58  miongana, 59  misobilatra, 60  misolafaka, 61  misolifaka, 62  misolifatra, 63  mitalaboboka, 64  mitatavoka, 65  mitotongana, 66  mitrosina, 67  mitrotrongy, 68  mitsimbadika, 69  mitsingadina, 70  mitsingatotra, 71  mitsingidina, 72  mitsingoana, 73  mitsinkasina, 74  mitsirara, 75  mivadika, 76  mivalangitrika
Kamban-teny rehetra  77 potraka am-parafara

Fivaditsoratra  78 kapotra, potraka

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17