|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  adimizana
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 laharana fahafito amin' ny volana malagasy. Ny anarany dia nalaina avy amin' ny anaran' ny
4 antokon-kintana, izay ataon' ny Arabo hoe El-mizân (Balance).
5 Ny Adimizana dia reni-vintana mitretro ny Alakarabo, ary mibaby ny Asombola.
6 Eo anjorom-baravarambe (atsimon-andrefana) no filaharany, ary mivoaka sy miditra
7 eo ny soa sy ny ratsy.
8 Isan' ny andro mahery ny Adimizana, ka ny ozona atao amin' ny olona vintan' Adimizana,
9 dia manjary mivadika ho soa azy; tsy maty vonoina izy, fa tahaka ny varavarambe,
10 ka na atositosika marain-tsy hariva aza dia tsy mankaiza fa mbola anton' ny trano eo ihany.
11 Ny olona izay manana vintana mifandratra amin' ny Adijady, raha ta-hanao zavatra
12 tian-ko mafy sy mateza, dia manao izany amin' ny vonton' Adimizana, indrindra
13 fa ny hampaka-bady. Saingy atahotahorana ihany amin' izay ny tsy ho marina am-panambadiana,
14 satria mivoha lava ny varavarambe (Adimizana); ka dia andevenana vatokilonjy ao ambany
15 tokonana, mba tsy hihetsiketsika tahaka iny vato nalevina iny ny mpanambady.
16 Ny kintana telonohorefy dia atao hoe Adimizana, noho ny filahatr' ireo kintana telo ireo,
17 izay hoatra ny tsara lanja mihitsy, sady manana ny endriky ny vovona-mizana :
18 misy fisasahany hampitoviana ny lanjan-javatra.
19 Ny Alahamady no tonom-bintana mifandratra amin' ny Adimizana; ary ny mitanila eo amin' ny Alohotsy
20 sy ny Adaoro kosa no iarenany sy iandrianany.
21 Ny zaza teraka Adimizana dia ampitahirizina mizana, ary tsy mba avela hitafy lamba tohi-loha.
22 Omby sada sy akoho maramara no manambina azy raha ompiany. [1.10]
23 
24 
25 
61 
123 
159 
160  [3.1]
161 Anaran' ny volana fahafito amin' ny filaharan' ny volana malagasy merina, aorian' ny Asombola ary alohan' ny Alakarabo, ka ny toerana omena azy ao an-trano dia eo amin' ny zoron-trano atsimo andrefana (zorom-baravarambe). Andro mahery aoka izany ny Adimizana ka ny ozona atao amin' ny olona teraka Adimizana aza mivadika ho soa ho azy
162 Fanandroana: vavany: raha lehilahy, mpivarotra, mpandranto; raha vehivavy: tsy mitahiry mizana fa miala vintana; raha tsy mpanankarena dia maty kely izy; vontony: tsara, mpanankarena, tsy maty vonoina; vodiny: tsara, tratra antitra; raha tsy maty kely, raha tsy roa volo tsy maty [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  163 The name of the seventh month in the Malagasy year. [Ar. Al-mizanu -- Libra.] [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  164 Nom de la septième lune et du septième mois de l'année malgache [1.3]
Ohatra  165  Tsy azo atao adimizana ny famadiahana fa ampiady; [1.381#]
166  Ary tamy ny andro Talata 15 adimizana, 19 Janoary. [2.59#]
167  Dia navoaky ny Mpanjaka tamy ny andro Alakamisy 5 adimizana 31 Janoary 1884. [2.59]
Voambolana  168  Fotoana 169  Finoana
Renianarana 
Anarana iray reny 
Tsanganana sy sary iray takila  245  Fizaran' andro

Teny iditra (2/2)246  adimizana
Sokajin-teny  247  anarana
Mpanahaka  248  sikidy
Lahatsoratra  249 

Fivaditsoratra  adimizana, 250 amizany da

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/20