|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  korintsana
Fototeny  2 rintsana
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4 Feon' ny voanjavatra maina ao anaty akorany izay mamoaka feo mikitrana rehefa voatohina
5 Feo manenon' ny vilia na vera na vola madinika mifandona [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6 tinkling ornaments [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7 retentissement d'un grelot, de petits ornements [1.8]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Voambolana  24  Feo

Teny iditra (2/2)25  korintsana
Sokajin-teny  26  anarana
Fanazavàna teny malagasy  27 Zavamaneno mikorintsana manaraka ngodon-kira; samy manana ny anarany avy izy ireo arakaraka ny bikany sy ny zavatra nanaovana azy: ao ny kapoaka (misy na tsy misy tahony hihazonana azy), ao ireo afehy amin' ny hatotanana na ny tongotra ka entina mandihy; ny tsotra indrindra dia voatavo arivolahy efa maina, nesorina ny tao anatiny ary nasiana voa madinika [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  28 a child's rattle [1.7]
Ohatra  29  Tamin' izany no nahazon' I Terezy kely korintsana (kilalao vita gasy) sy kavina an-koso-bolamena; [2.470#]
Voambolana  30  Feon-kira: zavamaneno
Renianarana 
Anarana iray reny 
Sary 

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09