|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 zavamaneno |
| Singan-teny | 2 zavatra, 3 maneno |
| Sokajin-teny | 4 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
5 anarana ilazana ireo zavatra rehetra namboarina hanao feon-kira, na tendrena izany na tsofina, na velezina. Anarana itambaram-be ilazana zavatra amboarin' olombelona mba hamoaka feo mahafinaritra azo anaovana feon-kira na anarahana hira: Ny sodina, ny valiha ary ny gitara dia samy zavamaneno
[1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
[zava-maneno]
6 a musical instrument.
[1.2] [zava-maneno] 7 any musical instrument [1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
[zava-maneno]
8 instrument de musique
[1.8] |
| Ohatra |
9 mitoreoreo sy mampihetsi-po hafahafa ny feo avoaky ny zavamaneno;
[2.470#]
10 Tia mozika izy ary kinga raha nitendry zavamaneno toy ny harmonia, ny valiha, mba nandalo teo am-pelatanany. [2.356#] 11 Isan-kariva, nataon' izy telo mirahalahy sy ireo mpiara-misakafo aminy mpanala sorisory azy amin' ny mozikany ilay mpitendry zavamaneno. [2.472#] |
| Voambolana | 12 Feon-kira: zavamaneno |
| Lahatsoratra | 135 Randzavola: zava-maneno ao amin' ny Baiboly |
| Sary |
|
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09 |
|