|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  tarỳ
Singan-teny  2 t~, 3 arỳ
Sokajin-teny  4  ny lasan' ny tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  5 Endriky ny mpamaritra matoanteny milaza toerana "arỳ" raha enti-milaza ny lasa: Tarỳ Ankadindambo izahay afakomaly
6 Avy arỳ: Efa tarỳ ve ianao? [1.1]
Ohatra  7  tary ambany tary, nisy vehivavy lehibe iray avy niakatra. [2.4#]
8  Dadabem-borompotsy izany ilay hitanay tary an-dohasaha tary. [2.117#]
9  Ny miaramila an-tongotra kosa dia tary Analatelo no niandry. [2.472#]

Teny iditra (2/2)10  tary
Sokajin-teny  11  anarana
Fanazavàna teny malagasy  12 Amponga lehibe indrindra sady lava eto Madagasikara: mitovitovy amin' ny n' lapa izy (hoditra tokana eo amin' ny tendrony ambony), saingy avo be: 1,50 metatra. Izy no midoboka voalohany indrindra vao maneno daholo ny amponga rehetra miaraka aminy sy ny zavamaneno ka izany no iantsoana azy hoe "tary" (mitarika lanonana); misy koa milaza hoe Ampongatary [1.1]
13 Ny kely indrindra amin' ireo amponga efatra nampiasaina tamin' ny famorana ka natao hipetrahan' ny zaza hodidiana [Merina] [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  14 a second drum [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  15 le plus petit des quatre tambours usités à la circoncision, dont le son était rauque et sur lequel
16 on plaçait l'enfant pour le circoncire [1.3]
Ohatra  17  Ampongalahy iray atao hoe "tary" no ipetrahan' izay hitazona ny zaza. [2.436#]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Voambolana  20  Feon-kira: zavamaneno
Renianarana 
Anarana iray reny 

Fivaditsoratra  142 itra, 143 raty, tarỳ, tary, 144 Tira, 145 tria

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/21