|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  miadana
Fototeny  2 adana
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Mandeha moramora, manao moramora izay atao; tsy mahavita lalan-davitra na asa betsaka na mahalaza teny betsaka amin' ny fotoana fohy:
5 Miadana ny fandehan' ny sokatra ~ Miadam-piteny Rakoto
6 Tsy manam-pahasahiranana, manana ny ilaina rehetra, sambatra:
7 Miadana ny fianakavian-dRabe fa manam-be hovangoana izy ka tsy manahy na inona na inona [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  8 to be at peace [1.2, 1.7]
9 To advance slowly, not to be in a hurry; to be in comfortable circumstances, having no anxiety or care; not to be hasty in forming judgements. [1.2]
10 to go slow; to have plenty [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  11 Etre en paix, jouir de l'abondance, être prospère, aller posément, agir avec lenteur [1.3]
12 aller lentement; jouir de la paix; être dans l'aisance [1.8]
Ohatra  13  Indreny lahinjiro roa no manatona miadana dia miadana ny familiana amikiranay sy Patrice. [2.471]
14  Nikendry miaramila sy miadana tsara izy. [2.472]
15  Tsara ny fitafiany, toa miadana ihany ny reniny. [2.499]
Haiendriteny 
16  Ny ankehitriny :
17  Ny lasa :
18  Ny hoavy :
19  Filaza mandidy :
Mpanahaka  20  afadraorao, 21  afakopakopaka, 22  elatananamivotsavotsa, 23  finaritra, 24  henika, 25  makamora, 26  malaimihetsika, 27  mamindramalako, 28  mampandadyfoza, 29  mananjara, 30  mananaambyampy, 31  manananyampy, 32  manisadia, 33  manisavitsika, 34  metroka, 35  miainaankalalahana, 36  mianoka, 37  mianoka, 38  mibanaika, 39  mibonaika, 40  mibonenika, 41  midanesaka, 42  midanoka, 43  midanoka, 44  midaresaka, 45  midarona, 46  midehadeha, 47  midraiko, 48  midreho, 49  migalabina, 50  mihamoka, 51  mihoninkonina, 52  mijeho, 53  mikidanodanoka, 54  mikirindreva, 55  mikisaka, 56  mikisina, 57  mikonesa, 58  miladina, 59  milaikalaika, 60  milaiko, 61  milaikolaiko, 62  milakolako, 63  milalo, 64  milalotra, 65  milamina, 66  milamina, 67  milanona, 68  milasilasy, 69  miledaleda, 70  mimasimasy, 71  miraondraona, 72  mirerarera, 73  miresaresa, 74  miretareta, 75  mirezareza, 76  mirisarisa, 77  misamosy, 78  mitanesaka, 79  mitaredretra, 80  mitaredretra, 81  mitavozavoza, 82  mitoredretra, 83  mitsikozakoza, 84  mitsikozakoza, 85  mitsilaikolaiko, 86  mitsimedameda, 87  mitsiredareda, 88  mitsirendrena, 89  mitsiretareta, 90  mitsitaika, 91  mitsivozavoza, 92  sambatra, 93  somararetra, 94  tretrika, 95  tsymaika, 96  tsymakasarotra, 97  tsymandrayravinavaratra, 98  tsymandrayravindeno, 99  tsymiondantanana, 100  tsymiraika, 101  tsyrototra, 102  tsyrototra, 103  tsysahirana, 104  votsadia, 105  votsavava, 106  votsa
Kamban-teny rehetra  107  Fikambanana 12 amin' io teny io
Ohabolana  108  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2)109  miana
Fototeny  110 adana
Sokajin-teny  111  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao miadana [Fitanisana]

Fivaditsoratra  112 Madiana, 113 manadia, miadàna, miadana

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/27