|
|
|
|

Index

Proverbs : saka

Proverb 1Sakan' akoho lasan-tsintsina, ka sady taitra no talanjona. [2.165 #2212, 2.415 #5778]
French translationPoulet emporté par un petit oiseau tsintsina : il est effrayé et étonné. [2.415 #5778]
Un poulet emporté par un passereau: il a été effrayé et étonné. [2.165]
French interpretationC' est un fort qui s' est laissé surprendre par un faible. [2.415 #5778]

Proverbs : saka

Proverb 1Amboa ngerom-bava, ka raha mandalo toa hitondra sokina ihany. [2.415 #4269]
Amboa ngerom-bava : tazanina toa mitondra sokina, nony akaiky vavany ihany. [2.558]
Toy ny amboa mainty vava, ka ataony ho nangala-pihinana ihany. [2.165 #1071, 2.653]
Toy ny amboa ngerom-bava, ka ataony ho nangala-pihinana ihany. [2.653]
Toy ny amboa ngerom-bava, ka ohatra ny avy nangala-pihinana ihany. [2.558]
Toy ny amboa ngerom-bava : tazanina toa mitondra sokina, nony hatonina vavany ihany. [2.558 #4258]
Toy ny saka ngerom-bava, ka ohatra ny avy nangala-pihinana ihany. [2.558]
French translationChien qui a la gueule noire : quand il passe, on croit qu' il porte un hérisson. [2.415 #4269]
Semblable à un chien à la gueule sale, qui est soupçonné d' avoir volé de la nourriture. [2.165]
French interpretationParce que les apparences sont contre lui. [2.165]
Se disait des voleurs de profession : on les accuse toujours. [2.415 #4269]

Proverb 2Aza manao hata-dava ohatra ny saka. [2.165]
French translationNe faites pas des demandes importunes et continuelles, comme un chat. [2.165 #653]

Proverb 3Aza manao lainga marivo tototra, ka ny tongo-tsaka lazain-ko lanim-boalavo. [2.974 #139]
Aza manao lainga marivo tototra, ka ny tongo-tsaka no lazaina lanim-boalavo. [2.558]
Aza manao lainga marivo tototra, ka ny tongo-tsaka no lazain-ko lanim-boalavo. [2.415 #4910, 2.653 #476]
French translationNe faites pas de mensonges faciles à découvrir : c' est comme si vous disiez que la patte d' un chat a été mangée par un rat. [2.415 #4910]
Ne pas inventer des mensonges trop évidents, comme de dire que la patte du chat a été mangée par le rat. [2.974 #139]

Proverb 4Hianao angaha tsy matahotra ny ho voarangotra, no saka matory ka alam-bolombava. [2.415 #6281, 2.558 #1318, 2.653 #1057]
Saka matory ka alam-bolombava. [2.974 #262]
French translationNe tirez pas la moustache au chat qui dort. [2.974 #262]
Vous ne craignez donc pas d'être égratigné que vous tirez la moustache à un chat qui dort. [2.415 #6281]
French interpretationNe réveillez pas le chat qui dort. [2.415 #6281]

Proverb 5Kabarin-tsaka : vao miteny dia omeo. [2.558 #1588, 2.653 #1220]

Proverb 6Manjary saka dia. [2.415 #3033]
French translationLe vagabond est comme un chat sauvage. [2.415 #3033]

Proverb 7Nahoana no dia ratsy vintana ohatra ny saka : bevohoka vao atao mamosavy ? [2.558]
Nahoana no dia ratsy vintana tahaka ny saka: berohoka vao atao mamosavy ? [2.653 #2037]
Nahoana no dia ratsy vintana takaky ny saka ? bevohoka vao atao mamosavy. [2.415 #90]
Ratsy vintana hoatry ny saka, be vohoka vao mamosavy. [2.415 #108]
French translationAvoir une mauvaise destinée comme la chatte : c' est quand elle est pleine qu' on l' appelle sorcière. [2.415 #108]
Pourquoi avoir un mauvais destin comme la chatte ? c' est quand elle est pleine qu' on la dit adonnée à la sorcellerie. [2.415 #90]
French interpretationC'était l'expression consacrée pour dire d'une chatte quelle était pleine ; on appliquait ce proverbe aux braves gens qui, devenus riches, se faisaient méchants. [2.415 #108]
C' était une croyance populaire que la chatte avortait lorsqu' on disait : elle est pleine ; aussi pour désigner une chatte pleine, on employait le mot mamosavy : faire de la sorcellerie. [2.415 #90]

Proverb 8Ny kary no manao izay ataony, ka ny saka no tapa-drambo. [2.653 #2277, 2.974 #117]
Ny kary no manao izay ataony, ka ny saka no voatapa-drambo. [2.165 #1100]
French translationC’est le kary qui fait des siennes, et c’est le chat qui se voit couper la queue. [2.974 #117]
Le chat sauvage fait ce qui lui plaît (c. à. d. du mal), et c' est alors au chat domestique qu' on coupe la queue, parce qu' on ne peut attraper l'autre ou qu' on ne sait pas. [2.165]
Le chat sauvage fait ce qu' il veut, mais c' est au chat domestique qu' on coupe la queue. [2.165 #1100]
French interpretationPunir un innoncent à la place d' un coupable. [2.165]

Proverb 9Ny voalavo no tsy mihetsika, ny saka no mbola mihiratra. [2.974 #276]
Ny voalavo no tsy nihetsika, ny saka no mbola mihiratra. [2.653 #2484]
French translationSi le rat est immobile, c’est que le chat a encore l’œil ouvert. [2.974 #276]

Proverb 10Ondry : manao katro-doha, amboa : mifanaikitra, saka : mifandrangotra, samy ady fa tsy mitovy. [2.558]

Proverb 11Saka lava tanana. [2.415 #4319]
French translationLe voleur est un chat à longues griffes. [2.415 #4319]

Proverb 12Saka manana ny hohony, amboa manana ny vanginy. [2.558 #3812]

Proverb 13Saka manatin-koho. [2.558]

Proverb 14Sikidin-tsaka : ny loha samy hafa, fa ny fo iray ihany. [2.558 #3883, 2.415]
Sikidin-tsaka : samy manana ny lohany, fa ny fo iray. [2.415 #138]
Sikidi-saka: ny loha samihafa; fa ny fo iray ihany. [2.653]
Toy ny sikidin-tsaka : ny fo iray ihany, fa ny loha samy manana ny azy. [2.558 #4323]
Toy ny sikidy saka: ny fo iray ihany, fa ny loha no samy hafa. [2.165 #37]
French translationL' oracle au moyen d' un chat: il n' y a qu' un cœur, mais il y a plusieurs têtes. [2.165 #37]
Sikidy des chats : la tête est différente, mais le coeur est le même. [2.415]
French interpretationLe sens est qu' ils sont tous les mêmes. [2.415 #138]

Proverb 15Totozy mandalo ny saka ; sasatry ny miaina. [2.415 #6326]
French translationSouris qui passe devant le chat ; elle est fatiguée de vivre. [2.415 #6326]

Proverb 16Tsy misy mateza milevina hoatry ny voalavo ; fa raha mitranga izy, dia hanin' ny saka. [2.415 #6258]
Tsy misy mateza milevina ohatra ny voalavo; fa raha mitranga izy, dia hanin' ny saka. [2.165]
Tsy misy mateza milevina ohatra ny voalavo, fa raha mitranga lanin' ny saka. [2.558]
French translationAucun animal ne reste aussi longtemps enterré qu' un rat, mais quand il sort de son trou, il est pourtant mangé par le chat. [2.165]
Il n' y a pas d' animal qui reste enterré comme un rat, mais lorsqu' il sort de son trou, il est mangé par le chat. [2.415 #6258]

Proverb 17Voalavolahy mila loza, ka miditra an-trano misy saka. [2.558 #4968]
Voalavolahy mila loza : miditra an-trano misy saka. [2.415 #6331, 2.653 #3700]
Voalavolahy mila loza; saka matory ka alam-bolombava. [2.415 #6332, 1.1]
Voalavolahy sasatry ny miaina: saka matory ka alam-bolombava. [1.1]
Voalavo sasatra ny miaina, ka mandalo ambany ny saoky ny saka. [2.653 #3696]
Voalavo sasatra ny miaina: saka matory ka alam-bolombava. [2.653 #3697]
Voalavo sasatry ny miaina, ka mandalo ambanin' ny saokan' ny saka. [2.165 #874]
Voalavo sasatry ny miaina, ka mandalo ambanin' ny saoky ny saka. [2.415 #6335, 2.974 #292]
Voalavo sasatry ny miaina, ka mandalo saokan-tsaka. [2.558 #320]
Voalavo sasatry ny miaina raha saka matory ka alam-bolombava. [2.558 #321]
Malagasy interpretationEnti-milaza fa tsy tokony ho sahisahy foana ka manakaiky ny loza mahafaty. [1.1]
Enti-milaza ireo olona sahisahy loatra ka tsy mitsapa izay mety hahafaty azy akory. [1.1]
French translationCourir à sa perte comme un rat qui irait tirer la moustache d' un chat qui dort. [2.415 #6332]
Rat fatigué de vivre, et qui passe sous le menton du chat. [2.974 #292]
Rat fatigué de vivre : il passe sous le menton du chat. [2.415 #6335]
Un rat qui en a assez de la vie et il passe sous le menton du chat. [2.165 #874]
Un rat qui entre dans une maison où il y a un chat, est un rat qui cherche malheur. [2.415 #6331]
French interpretationQui s' expose au danger y périra. [2.415 #6335]
Se disait des gens qui s'exposent au danger. [2.415 #6331]

Proverb 18Voalavo mitety vazan-trano misy saka, ka fohy andro andehanana. [2.165 #873, 2.415 #6334, 2.558 #4975]
French translationRat qui court dans une maison où il y a un chat : il n' a pas longtemps à courir. [2.415 #6334]
Un rat qui court dans une maison où il y a un chat, ce ne sera pas pour longtemps. [2.165 #873]

Proverbs : saka

Proverb 1Valavo nirangotim-piso : tsy maty fa fohafoha volo. [1.147 #V64]
Valavo nirangotim-piso: tsy maty fa lava volo. [2.165]
Voalavo norangotin-tsaka: tsy maty fa lava volo (mahia koa). [2.165]

Index